# Nivoaka izy ''Nivoaka i Mosesy'' # indro Ny teny hoe ''indro'' eto dia mampiseho fa gaga tamin'izay hitany i Mosesy. Afaka mampiasa teny amin'ny fiteninao izay mamoaka izany dikany izany ianao. # ilay iray izay diso Izany dia fomba entina hilazana hoe ''ilay iray izay nitarika ny ady''. DH: ''ilay iray izay meloka tamin'ny nitarihana ady'' (UDB) # Iza no nametraka anao ho mpitarika ka hitsara anay? Nampiasa io fanontaniana ilay lehilahy mba hibedesana an'i Mosesy tamin'ny nidirany tamin'ny ady. DH: ''Tsy lehibenay ianao ary tsy manan-jo hitsara anay!'' # Mitetika ny hamono ahy tahaka ny namonoanao ilay Egyptiana ve ianao? Nampiasa fanontaniana eto ilay lehilahy mba haneso. DH: ''Fantatray fa namono Egyptiana ianao omaly. Tsy tokony hamono ahy ianao!''