# ireo mpanora-dalàn'ny mpanjaka ... ny lalàna rehetra izay nandidian'i Hamana dia voasoratra DH: "Nampiantso ireo mpanora-dalànany ny mpanjaka ... nanoratra lalàna mirakitrany didin'i Hamana rehetra izy ireo" # andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahatelo ambin'ny folo dia manakaiky ny fiandohan'ny volana Aprily ho an'ny tetiandro tandrefana. # governoram-paritanin'ny mpanjaka "governoran'ireo faritany." Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1 ny hoe "faritany." # nosoratana tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izany ary voatombokase tamin'ny peratrany DH: "Nosoratan'izy ireo amin'ny anaran'ny Ahaseorosy mpanajaka ilay lalàna ary notombohan'i Hamana tamin'ny tombokasen'ny mpanjaka izany" # amin'ny anaran'i ... Eto ny "anarana" dia maneho ny fahefan'ny mpanjaka. # natolo-tanana notolorana -Izany filazana izany dia manambara fa natolotr'izy ireo manokana ireo taratasy. DH: "notolorana manokana" # handringanana, hamonoana, ary hamotehana Ireo teny ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy ilay famotehana tanteraka. DH: "faharavana tanteraka" # izay volan'i Adara "Adara" no anaran'ny volana faharoa ambin'ny folo sy farany amin'ny tetiarana Hebreo. Ny andro fahatelo ambin'ny folo dia manakaiky ny fiandohan'ny volana Martsa amin'ny tetiarana tandrefana # handroba "maka an-keriny"