# Fampifandraisana ny foto-kevitra Paoly manokatra ny taratasiny amin'ny firesahana momban'ny toeran'ireo mpino sy ny fiarovana azy ireo eo anatrehan'Andriamanitra. # Deraina anie ny Andriamanitra sy ny Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika DH: ''Aoka isika hidera ilay Andriamanitra sy Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika'' # izay nitahy antsika ''satria Andriamanitra nitahy antsika'' # fitahim-panahy rehetra ''ny fitahiana rehetra tonga avy any amin'ny Fanahin'Andriamanitra'' # any an-danitra ''any amin'ny tontolo tsy hita maso." Ny teny hoe ''lanitra'' dia maneho ny toerana misy an'Andriamanitra. # ao amin'i Kristy Ny ''ao amin'i Kristy'' ary teny mitovitovy amin'izay dia fanoharana izay hita matetika ao amin'ireo taratasin'ny Testamenta Vaovao. Ireo dia maneho ny karazana fifandraisana mahery vaika eo amin'i Kristy sy ireo izay mino Azy. # masina sy tsy manan-tsiny Paoly mampiasa teny roa mitovitovy mba hanamafisana ny hatsaram-panahy.