# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy mitso-drano an'ireo fokon'Israely, izay nanomboka tao amin'ny 33:1; ireo tso-drano dia tononkalo fohy. Manohy mamaritra ny fokon'i Levy izy, izay nanomboka tao amin'ny 33:8. # Fa nitandrina ny teninao izy Eto ny hoe "teny" dia maneho an'ireo didin'i Yaveh. DH: "fa nankato an'ireo didinao izy ireo" # nitandrina ... nitàna Ireo teny ireo dia samy midika hoe miambina sy miaro. Matetika ireo dia sarinteny ho an'ny hoe "nankato," fa eto ireo dia tokony adika ara-bakiteny satria maneho ny fotoana namonoan'ireo Levita ny vahoaka izay nikomy nanohitra an'i Yaveh.