# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Manohy milaza ny tenin'i Yaveh izy. # Poizin'ny menarana ny divain'izy ireo ary poizi-mandozaben'ny menarana Mosesy manohy mampitaha an'ireo fahavalon'ny vahoakan'Israely amin'ireo tangozam-boaloboka izay mamokatra voa misy poizina sy divay. Izany dia midika fa ratsy fanahy ny fahavalon'izy ireo. # menarana "bibilava" # Tsy fikasana miafina notehiriziko ve izany, voaisy tombo-kase tao an-trano fitoeran-drakitro? Ity fanontaniana ity dia manamafy fa ny fikasan'i Yaveh ho an'ny vahoakan'Israely dia tsiambaratelo voatahiry tahaka ny harena sarobidy. DH: "Fantatro izay nokasaiko ho atao amin'ny vahoaka Israelita sy ny fahavalon'izy ireo, ary nohidiko toy ny anidin'ny olona ny hareny sarobidy ireo fikasana ireo."