# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Yaveh manohy miresaka amin'i Mosesy. # hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako Yaveh dia mampitaha ny hatezerany amin'ny olona mandrehitra afo. Ity dia manamafy ny fahefan'Andriamanitra handrava na inona na inona mampahatezitra Azy. DH: "harehitro amin'izy ireo ny hatezerako" na "ho tezitra amin'izy ireo Aho" # Hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho Fomba fiteny ity. DH: "tsy hanampy azy ireo Aho" # ho levona izy ireo. DH: "handevona azy ireo Aho" na "hamela ny fahavalon'izy ireo handevona azy ireo Aho" # levona Ity dia sarinteny ho an'ny hoe "rava tanteraka" # Aretina maro sy korontana no ho hitan'izy ireo Ity dia mamaritra an'ireo aretina sy korontana toy ny hoe olona ireo. DH: "hiaina aretina sy korontana maro izy ireo" # tsy tonga eto ... ny Andriamanitsika? Ity dia mamaritra an'ireo aretina sy korontana toy ny hoe olona ireo. Ity fanontaniana fampisainana ity dia afaka atao fanambarana. DH: "Mandringana ahy ireo aretina ireo ... ny Andriamanintsika" # tsy eto afovoantsika ny Andriamanitsika "tsy miaro antsika intsony Andriamanitra" na "navelan'Andriamanitra ho irery isika"