# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # avy lavitra, avy any amin'ny faran'ny tany Ireo roa ireo dia manana dika mitovy ary manamafy fa ireo fahavalo dia ho tonga avy any amin'ny firenena izay tena lavitra an'Israely. # avy any amin'ny faran'ny tany Fomba fiteny ity. DH: "avy any amin'ny toerana izay tsy misy fantatrao ny mombamomba azy" # tahaka ny voromahery manidina ho amin'ny hazany Ity dia midika fa ny fahavalo dia ho avy tampoka ary tsy ho afaka hanajanona azy ireo ny Israelita. # firenena masiaka endrika izay tsy manaja ny zokiolona ary tsy maneho sitraka Ny teny hoe "firenena" dia sarinteny ho an'ny vahoaka ao amin'io firenena io. DH: "firenena izay manana endrika masika ny vahoakany, izay tsy manaja ny zokiolona sy tsy manome sitraka" # mandra-paharingana anao DH: "mandra-pandringanan'izy ireo anao" na "mandra-pamelany anao tsy manana na inona na inona"