# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ity dia manohy izay tokony lazain'ny Israelita rehefa mitondra ny voaloham-bokany any amin'i Yaveh izy. # Ratsy fitondrana sy nampahory antsika Milaza zavatra mitovy ireo amin'ny ankapobeny. Manamafy ireo fa nanao fihetsika tena masiaka ireo Egyptiana. # antsika Eto ny hoe "antsika" dia maneho ny vahoakan'Israely izay nipetraka tany Egypta. Ilay miteny dia mampiditra ny tenany ho iray amin'ireo vahoaka na mipetraka any Egypta izy na tsia. # henony ny feontsika Eto ny hoe "feo" dia maneho ilay olona sy ny fitarainany na ny vavaka nataony mihitsy. DH: "reny ny fitarainantsika" na "reny ny vavaka nataontsika" # ny fahoriantsika, ny asantsika, ary ny fijaliantsika "fa nampahory antsika ireo Egyptiana, fa nanao asa tena mafy isika, ary fa nampijaly antsika ireo Egyptiana"