# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy dia miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # Raha mijinja ny vokatrao any amin'ny sahanao ianao "rehefa mijinja ny vary eny an-tsahanao ianao" # amboara vary izay hafatotry ny mpijinja hiaraka. # avelao ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty ary ho an'ny mpitondratena izany DH: "tokony avelanao ilay amboara mba ho alain'ny vahiny, kamboty, na mpitondratena" # amn'ny asan'ny tananao rehetra Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "amin'ny asa rehetra izay ataonao" # Rehefa manintsana ny hazo olivanao ianao DH: "Rehefa manintsana ireo sampan'ny hazo olivanao ianao, mahatonga ireo oliva hihintsana eny amin'ny tany mba hahafahanao mitsimpona ireo" # aza mamerina mitsimpona ireo eny amin'ny sampany intsony "aza mioty ny oliva tsirairay rehetra eny amin'ny hazo" # ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena izany DH: "ireo oliva izay mijanona eny amin'ireo sampany dia natao ho an'ireo vahiny, kamboty, ary ireo mpitondratena mba ho alaina sy ho entin'izy ireo"