# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina eto. # tsy tokony hiraikiraiky amin'ny fanatanterahana izany "tsy tokony haka fotoana ela hanatanterahana ilay voady" # satria azo antoka fa ho takian'i Yaveh Andriamanitrao aminao izany "satria Yaveh Andriamanitraoo dia hanome tsiny anao sy hanasazy anao raha tsy manatanteraka ny voadinao ianao" # Fa raha hanindry fo ianao amin'ny fanaovana voady Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fehezanteny ity. DH: "Fa, raha tsy manao voady ianao, dia tsy hanota satria tsy hanana voady ho tanterahana ianao" # Ny teny izay naloaky ny vavanao Fomba fiteny ity. DH: "ireo teny izay nolazainao" # arak'izay voady nataonao tamin'i Yaveh Andriamanitrao "na inona na inona nataonao voady tamin'i Yaveh Andriamanitrao fa ho ataonao" # na inona na inona nampanantenainao maimaimpoana tamin'ny vavanao "na inona na inona ren'izany vahoaka izany fa nampanantenainao ho atao satria naniry hanao izany ianao" # tamin'ny vavanao "ka ren'ny olona niteny izany ianao"