# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # mba tsy ho alain'ny toerana masina ny vokatra rehetra Ny teny hoe "toerana masina" dia sarinteny hilazana ireo mpisorona izay miasa ao amin'ilay toerana masina. DH: "mba tsy ho alain'ireo mpisorona ao amin'ny toerana masin'i Yaveh ny vokatra rehetra" na "mba tsy handoto ny vokatra rehetra ianao ka tsy avelan'ireo mpisorona hampiasa izany" # ary ny vokatry ny tanim-boaloboka "ary ny voankazo izay maniry eo amin'ny tanim-boaloboka" # volon'ondry volo malefaka, olioly izay eo amin'ny ondry.