# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely toy ny hoe miresaka amin'ny olona iray ihany izy, noho izany dia "ianao" no ampiasaina. # Raha nanao fahotana mendrika fahafatesana ny olona iray "raha nanao zavatra tena ratsy ny olona iray ka mila manasazy azy amin'ny famonoana azy ianao" # vonoina izy DH: "mamono azy ianao" # ka haraviravinao eny amin'ny hazo Ireo mety ho heviny 1) "ary rehefa maty izy dia hahantonao eny amin'ny hazo" na "ka vonoinao izy amin'ny fanantonana azy eny amin'ny hazo" # alevinao amin'io andro io ihany izy "alevinao amin'ilay andro namonoanao azy izy" # satria na iza na iza naraviravy dia voahozon'Andriamanitra DH: ireo mety ho heviny dia 1) "satria Andriamanitra manozona an'izay rehetra haraviravin'ny olona eny amin'ny hazo" ary 2) "haraviravin'ny olona eny amin'ny hazo ireo izay nozonin'Andriamanitra." # tsy handoto ny tany amin'ny famelana zavatra izay nozonin' Andriamanitra hiantona eny amin'ny hazo.