# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy mamaritra ireo toe-javatra izay mamela ny lehilahy iray handao ny miaramila. # Misy lehilahy ve ao izay matahotra na reraka am-po? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony "Raha misy miaramila eto matahotra sy tsy be herim-po, dia aoka izy hiverina any an-tranony" # matahotra na reraka am-po Manana dika mitovy ireo roa ireo. DH: "matahotra ny hiady any an'ady" # tsy ho ketraka toy ny fony koa ny fon'ny rahalahiny Fomba fiteny ity. DH: "mba tsy hisy Israelita hafa lasa matahotra toa azy" # ny fony ... ny fon'ny rahalahiny Eto ny hoe "fo" dia maneho ny herim-pon'olona iray. # tsy maintsy manendry mpifehy hitarika azy ireo izy ireo "tsy maintsy manendry olona ho mpifehy sy mpitarika ny vahoakn'Israely ireo manam-boninahitra"