# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy dia mbola miresaka amin'ny vahoakan'Israely. # Aza esorina amin'ny mpiara-belona aminareo ny famantaran-tany Afaka atao mazava tsara ny hevitr'ity fahezanteny ity feno. DH: "tsy tokony haka tany eo amin'ny mpiara-belona aminareo ianareo amin'ny famindrana ny fari-taniny" # napetrak'izy ireo "izay napetrak'ireo razambenareo" # fotoana maro tany aloha Ny tian'i Mosesy tenenina dia ny hoe rehefa nonina tany amin'ilay tany fotoana maro ny vahoaka, dia tsy tokony hanisaka ny faritra izay nataon'ireo razambeny izy ireo rehefa naka ilay tany voalohany. # amin'ny lova izay ho lovainareo, any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho fanananareo Yaveh manolotra ilay tany ho an'ny vahoakan'Israely dia resahina toy ny hoe mandova ilay tany izy ireo. DH: "any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo mba ho fananana"