# Hanangana mpaminany iray ho an'izy ireo Aho Yaveh manendry olona iray mba ho mpaminany dia resahina toy ny hoe hanangana na hanandratra ilay olona Yaveh. # eo amin'ireo rahalahin'izy ireo "eo amin'ireo Israelita naman'izy ireo" # Hataoko ao am-bavany ireo teniko Yaveh milaza amin'ny mpaminany izay ho tenenina dia resahina toy ny hoe hametraka teny eo am-bavan'ilay mpaminany Yaveh. # ho lazainy azy ireo "ho lazainy an'ireo vahoakan'Israely" # tsy mihaino ireo teniko izay lazainy amin'ny anarako Eto ny hoe "teny" dia maneho izay lasain'i Yaveh. Ny hoe "ny anarako" dia maneho an'i Yaveh sy ny fahefany. DH: "tsy mihaino azy izay milaza ny hafatro" # ho takiko aminy izany "ho hazoniko tompon'andraikitra izy" na "hanasazy azy." Eto ny hoe "aminy" dia maneho ny olona izay tsy mihaino ny mpaminany.