# isan-telo taona dia hanolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra ianao Indray isan-telo taona ireo Israelita dia mila mitahiry nny ampahafolon'izy ireo ao amin'ny tanànan'izy ireo mba ho ampiasaina hamatsiana ireo Levita, ireo kamboty, mananotena sy vahiny izany. # ao anatin'ny vavahadinao Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna iray manontolo mihitsy. DH: "ao amin'ny tanànanao" # satria izy tsy manana anjara na lova aminao Andriamanitra tsy manome tany an'ireo Levita dia resahina toy ny hoe tsy manome lova azy ireo Izy. # kamboty Ireo dia ankizy izay samy efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana hikarakara azy ireo. # mpitondratena Ity dia vehivavy izay maty vady ary tsy manana zanaka hikarakara azy amin'ny fahanterany. # amin'ny asan'ny tananao rehetra izay ataonao Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "amin'ny asa rehetra ataonao"