# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy mampatsiahy an'ireo lehibe mba hampianatra amin'ny zanany ireo asa lehiben'Andriamanitra. # Datana sy Abirama, ireo zanak'i Eliaba Mosesy dia miresaka hetsika iray tany aloha rehefa nikomy nanohitra an'i Mosesy sy Arona i Datana sy Abirama. Ny hevitr'ity feno dia afaka atao mazava tsara. # zanaka lahin'i Robena "taranak'i Robena" # nanokafan'ny tany ny vavany ary nitelina azy ireo Yaveh manokatra ny tany mba hianjeran'ny olona dia resahina toy ny hoe nanana vava sy fahafahana hitelina olona ilay tany. # zava-manan'aina rehetra nanaraka azy ireo Ity dia maneho ireo mpanompo sy bibin'izy ireo. # teo afovoan'Israely rehetra Ity dia midika fa nanatri-maso izay nitranga tamin'i Datana, Abirama, ny fianakavian'izy ireo, sy ny fananan'izy ireo ny vaoakan'Israely rehetra. # Fa ny masonareo no efa nahita Eto ny hoe "maso" dia maneho ilay olona iray manontolo. DH: "fa efa nahita ianareo"