# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely momban'izay nitranga tany aloha. # niankohoka teo anatrehan'i Yaveh "nampiankohoka ny tavako tamin'ny tany." Adikao toy ny tao amin'ny 9:17 ity. # efapolo andro sy efapolo alina "40 andro sy 40 alina" # izay navotanao Mosesy dia miresaka toy ny hoe nanavotra an'ireo Israelita tamin'ny alalan'ny fandoavana vola mba hanafahana azy ireo amin'ny fanandevozana Yaveh. DH: "izay novonjenao" # tamin'ny fahalehibiazanao Ny teny hoe "fahalehibiazana" dia sarinteny ho an'ny fahefana lehiben'i Yaveh. DH: "tamin'ny alalan'ny fahefanao lehibe" # tamin'ny tanana mahery Eto ny hoe "tanana mahery" dia maneho ny fahefan'i Yaveh. DH: "tamin'ny fahefanao lehibe." Misy teny mitovitovy hita ao amin'ny 4:34.