# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ireo Israelita toy ny hoe olona iray ihany izy ireo. Manohy mampatsiahy ny olona ny amin'izay tokony ho "tsaroan"'izy ireo izy. # Nampietry anao Izy "Yaveh dia nampiseho anao ny maha-malemy sy mpanota anao." Jereo fomba ny nandikana ny hoe "mba hampietreny anao" ao amin'ny 8:1. # namoky mana anao "nanome manao anao mba hohanina" # tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona Eto ny hoe "mofo" dia maneho ny sakafo rehetra. DH: "tsy ny mofo ihany no zavatra ilain'ny olona mba hiveloman'izy ireo" # ny zavatra rehetra izay aloakan'ny vavan'i Yaveh dia iveloman'ny olona Eto ny hoe "vavan'i Yaveh" dia sarinteny hilazana ireo teny izay lazain'i Yaveh. DH: "tokony hankato ireo didin'i Yaveh ny olona mba ho velona" na "tokony manao izay asain'i Yaveh ataon'izy ireo ny olona mba ho velona"