# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy milaza amin'ny vahoakan'Israely ny tenin'i Yaveh toy ny hoe olona iray ihany ireo Israelita. # Raha milaza ao am-ponao ianao ... aza matahotra Tokony tsy hatahotra ireo olona na dia hitan'izy ireo aza fa mahery kokoa noho izy ireo firenena. DH: "Na dia milaza ao am-poanao aza ianao" # milaza ao am-ponao Fomba fiteny ity. DH: "mieritreritra" # ahoana no handreseko ireo? Mosesy dia mampiasa fanontaniana mba hanamafisana fa mety hatahotra ireo firenena hafa ireo vahoaka. DH: "tsy afaka ny handresy azy ireo aho" # hahatsiaro Fomba fiteny izany. DH: "tsy maintsy tsaroanao" # izay hitan'ny masonao Eto ny hoe "maso" dia maneho izay hitan'ny olona. DH: "izay hitanao" # ny tanana mahery, sy sandry mitsotra Eto ny hoe "tanana mahery" sy "sandry mitsotra" dia sarin-teny ho an'ny fahefan'i Yaveh. DH: "sy ny fahefana mahery." Adikao toy ny ao amin'ny 4:34 ity.