# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan' Israely ny amin'izay nolazain'i Yaveh tamin'izy ireo. # Niresaka taminareo aho tamin'izany fotoana izany Eto ny "aho" dia maneho an'i Mosesy. Ny fehezanteny hoe "tamin'izany fotoana izany" dia maneho ny fotoana naha-tany Horeba an'ireo Israelita, izay mitovy amin'ny Tendrombohitra Sinay. DH: "Tamintsika tany Horeba, dia niresaka taminareo aho" # Tsy zakako irery ianareo Eto ny hoe "tsy zaka" dia midika hoe "mitarika" na "manapaka." DH: "be loatra ho ahy ny mitarika irery anareo" # maro toy ny kintana eny an-danitra Fanitarana ity izay midika fa Andriamanitra dia nampitombo be ny isan'ireo Israelita. DH: "vahoaka be" # arivo eny Ny fehezanteny hoe "arivo" dia sariteny anehoana ny hoe "betsaka." DH: "imbetsaka" # arivo 1000