# lehilahy miakanjo rongony fotsy DH: "ilay lehilahy izay nitafy rongony fotsy" na "ilay anjely izay nitafy rongony fotsy." # ambonin'ny ony Mety ho dikany ny hoe 1) ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy dia teo ambonin'ny ony na 2) ilay lehilahy dia lavitry ny fiambonian'ny ony. # ilay iray izay velona mandrakizay "Andriamanitra, izay velona mandrakizay" # ho fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana izany Ny tsara indrindra dia ny mamela izany hifangaro toy ny tany am-piandohana. Raha tsy maintsy hisafidy teboka hiaingana ianao, ny telo taona sy tapany dia mety ho niantomboka tamin'ny hetsika ao amin'ny 12:1 # fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana "telo taona sy tapany" (UDB). Ireo "fotoana" ireo dia matetika takatra amin'ny filazana azy ho taona. Iray sy roa ary antsasany mira telo sy tapany. # ho tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra ireo. DH: "ireo zavatra rehetra ireo dia tsy maintsy hitranga" # ireo zavatra rehetra ireo Tamin'ny fotoana niresahan'ilay lehilahy niakanjo rongony fotsy tamin'i Daniela, dia tsy nisy tamin'ireo hetsika tao amin'ny fahitana nitranga. Ilazana ny hetsika ao amin'ny 12:1 izany, ary mety ho tafiditra ao ny hetsika tamin'ny fahitana ao amin'ny toko faha 11.