# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ao amin'ny Daniela 11:1 hatramin'ny 12:4, ilay resahan'i Daniela ao amin'ny toko faha 10 dia miteny aminy izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny marina. Izany dia araka ny nolazainy hataony ao amin'ny 10:20 # Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosy I Dariosy no mpanjakan'ny Mediana. "Ny taona voalohany" dia ilazana ny taona voalohany nahampanjaka azy. DH: "Tamin'ny taona voalohan'ny fitondran'i Dariosy" # Hisy mpanjaka telo hitsangana "Hisy mpanjaka telo hitondra eo amin'ny Persia" # ny fahefatra dia ho mpanefoefo lavitra noho ireo hafa rehetra "aorian'izy ireo dia hisy mpanjaka fahefatra ho tonga amin-kery izay hanam-bola be noho ireo telo talohany." # hery mety ho dikany ny hoe 1) fahefana na 2) herin'ny miaramila # hamporisika ny olon-drehetra izy "Hahatonga ny olon-drehetra te hiady izy"