# Hanamafy izy... hampitsahatra izy Ilazana ny fitondrana ho avy izany izay handrava ilay voahosotra. # fito iray... amin'ny fisasahan'ny fito Eto ny hoe "fito" dia ampiasaina hilazana ny fotoan'ny fito taona. # hampitsahatra "mijanona" na "miato" # ny sorona sy fanatitra Ireo teny ireo dia midika zavatra mitovy. Ny famerenana izany dia ny mba hampisehoana fa ny mpitondra dia hisoroka ny karazana sorona rehetra. DH: "ny endriky ny sorona rehetra" na "ny karazana sorona rehetra" # ny elatry ny fahavetavetana Mety hilazana ireo drafitra fiarovana eo an-tendron'ireo rindrin'ny tempoly izany, izay nantsoina hoe "fahavetavetana" satria feno sampy izy ireo. DH: "Ireo rindrin'ny tempoly izay feno fahavetavetana" # ny olona izay hanao fandravana "olona izay handrava tanteraka" # Ny fiafarana tanteraka sy ny fahapotehana dia nambara fa haidina DH: "Nandidy Andriamanitra fa hampidina fiafarana tanteraka sy fanhapotehana Izy." # Ny fiafarana tanteraka sy fahapotehana Ireo teny na fanambarana roa ireo dia mitovy. Mampisongadina izy ireo ho fa matotra sy ho feno ny fahapotehana. DH:" Fahapotehana tanteraka" # izay mpandrava "ny olona izay nahatonga ny fahapotehana"