# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela. # An'ny Tompo Andriamanitray ny fangoram-po sy ny famelan-keloka Ny fanana ireo toertra ireo dia toa manambara fa an'ny Tompo izay ireo. DH: "Ny Tompo Andriamanitsika dia mangoraka am-po sy mamela heloka" # Izahay dia tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray Eto ny teny hoe "feo" dia ilazana ireo didy izay nolazain'i Yaveh. DH: "Tsy nankatò izay nolazain'i Yaveh hataonay izahay" # niala Ny teny hoe "niala" dia midika fa nijanona tamin'ny fankatoavana ireo lalàn'Andriamanitra i Israely. # izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy DH: "nosoratan'i Mosesy ao amin'ny lalàna ny momba izany" # efa naidina taminay Ny fahabetsahan'ny ozona sy ny fianianana dia lazaina ho toy ny hoe naidina tahaka ny rano. DH: "nentinao ho anay"