# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mitohy mivavaka amin'ny Tompo momba ny vahoaka Israely i Daniela. # Efa nanota izahay ary efa nanao ny tsy mety Ireo andian-teny ireo dia manambara hevitra iray amin'ny fomba roa samy hafa mba ho fampisongadinana. # Efa nanao fitondra-tena ratsy sy nikomy izahay Ireo andian-teny ireo dia manambara hevitra iray amin'ny fomba roa samy hafa mba ho fampisongadinana. # ny didinao sy ireo fitsipikao Ny teny hoe "didy" sy "fitsipika" dia mizaraha hevitra mitovy ary ilazana ny lalàna manontolo. # Tsy nihaino ireo mpanomponao izahay Eto ny hoe "tsy nihaino" dia midika fa tsy nankatò ny hafatr'izy ireo. DH: "Tsy nankatò ny hafatr'ireo mpaminaninao izahay" # izay niteny tamin'ny anaranao Eto ny hoe "anarana" dia ilazana ny fahefan'Andriamanitra. DH: "niteny tamin'ny fahefanao" na "niteny toy ny solotenanao" # ireo vahoakan'ny tany Eto ny hoe "tany" dia ilazana an'i Israely. DH: "Ny vahoaka Israelita" (UDB)