# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny toko faha 7 sy faha 8 dia tsy milahatra araka ny vanim-potoana. Nitranga tamin'ny mbola naha-mpanjaka an'i Belsazara izy ireo. Ankehitriny ny toko faha 9 dia miverina amin'ny zava-nitranga tamin'ny fanjakan'i Dariosa izay tonga mpanjaka ao amin'ny toko faha 6. # i Ahasoerosy no efa natao mpanjaka teo amin'ny faritr'ireo Babiloniana Fampahafantarana fototra io momba an'i Ahasoerosy. Ataon'ny UDB anaty fononteny izany mba hampahazava azy. # no efa natao mpanjaka teo amin'ny faritr'ireo Babiloniana DH: "no tonga mpanjaka teo amin'ny faritr'ireo Babyloniana" na "izay mamabo an'ireo Babyloniana." (UDB) # teo amin'ny faritra "teo amin'ny firenena" na "teo amin'ny fanjakana" # Yaveh Izany no anaran'Andriamanitra izay nambara tamin'ny vahoakany ao ami'nny Testamenta Taloha. # tokony nisy fitopolo taona hatramin'ny nandaozana an'i Jerosalema. "hatramin'ny fotoana naharava an'i Jerosalema, tokony nitoetra tao anaty faharavana nandritra ny 70 taona izany" # fandaozana Midika izany fa tsy misy na iza na iza hanampy na hanangana an'i Jerosalema indray mandritra io fotoana io.