# Daniela nihevitra tao an-tsainy Eto ny hoe "saina" dia ilazana an'i Davida ihany. DH: "Nanapa-kevitra ho an'ny tenany i Daniela." # handoto ny tenany Ny "mandoto" zavatra dia manao izany ho tsy madio. Ny sakafo sy zava-pisotron'ireo Babyloniana sasany dia mety hahatonga an'i Daniela ho maloto araka ny fombafomba mifanaraka amin'ny lalàn'Andriamanitra. Mety hatao mazava izany. DH: "manao ny tenany ho maloto araka ny lalàn'Andriamanitra" # hanim-py izany dia ilazana ny sakafo miavaka, tsy misy firy, tsara izay hanin'ny mpanjaka. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 1:1 # Nahoana izy no tokony hahita faharatsiana eny aminao mihoatra ireo tovolahy hafa izay mitovy taona aminao? Nampiasa io fanontaniana io ny manam-pahefana mba hanazava izay eritreriny mety hitranga. Mety ho fanambarana izany. DH: "Tsy te hahita anareo ho ratsy endrika noho ireo zatovo lahy hafa mitovy taona aminareo izy." # Mety hotapahin'ny mpanjaka ny lohako Fomba fiteny izany. DH: "Mety hanapaka ny lohako ny mpanjaka" na "Mety hamono ahy ny mpanjaka"