# Ny Zanaka lahy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita maso Eto ny hoe: "endrika" dia tsy midika hoe zavatra iray izay tsy hita maso. Fa kosa, ny "endrika" eto dia midika fa amin'ny alalan'ny fahafantarana ny Zanaka, dia mahafantatra ny endrik'Andriamanitra isika. # Zanaka lahy Izany dia fiantsoana manan-danja ho an'i Jesosy, ilay Zanaka lahin'Andriamanitra. # Izy ilay teraka voalohany "Ny Zanaka lahy no teraka voalohany." Ny fitenenana hoe: "teraka voalohany" dia tsy maneho ny fahaterahan'i Jesosy tao Betlehema. Fa kosa, izany dia maneho ny toeran'ny Zanaka lahy mandrakizain'Andriamanitra ilay Ray. Amin'izany, ny "teraka voalohany" dia sarin-teny midika hoe: "manan-danja indrindra." Jesosy dia manan-danja indrindra ary "Zanaka lahitokan'Andriamanitra". Izy dia Andriamanitra. Ny teny hoe: "Zanaka lahy" dia mampiseho ny fifandraisana manokana amin'ny Ray. Izany fifandraisana izany dia tsy takatra raha tsy mampiasa ny teny hoe: "zanaka lahy" sy ny hoe: "ray" amin'ny fitenim-paritrao ianao." # Fa tamin'ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra Izany dia afaka atao hoe: "Satria ny Zanaka no namorona ny zavatra rehetra" # Na ireo seza fiandrianana, na ireo fanapahana, na ireo fitondram-panjakana, na ireo manam-pahefana, ireo zavatra rehetra dia nohariana tamin'ny alalany sy ho azy Ny Zanaka lahy dia namorona ny zavatra rehetra ho azy, ao anatin'izany ireo seza fiandrianana, ireo fanapahana, ireo maha-mpanjaka, ary ireo fahefana. # Izy no alohan'ny zavatra rehetra "Izy dia nisy talohan'ny zavatra rehetra" # ao aminy no haharetan'ny zavatra rehetra Paoly eto dia miresaka ny fahefana amin'ny zavatra rehetra toy ny hoe: mitazona miaraka ireny izy. "izy dia mitazona ny zavatra rehetra miaraka"