# Fampifandraisana ny foto-kevitra Rehefa nanomana ny hivoaka ireo mpitarika jiosy, dia nanonona ireo andinin-tSoratra Masina teo amin'ny Testamenta taloha i Paoly. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Eto ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpitarika jiosy any Roma. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ny teny hoe "ianareo" dia manondro ny olona izay niresahan'i Paoly. Ao amin'ny andininy faha-26, dia manomboka milaza an'i Isaia mpaminany i Paoly # taorian'ny nanambaran'i Paoly ity teny iray ity DH: "taorian'ny nanambaran'i Paoly zavatra iray hafa" na "taorian'ny nanambaràn'i Paoly" # Ny Fanahy Masina dia niteny tsara ireo razanareo tamin'ny alalan'Isaia mpaminany. 26Hoy izy hoe: 'Mandehana any amin'ireo vahoaka ireo ary lazao hoe: "Amin'ny fihainoana no handrenesanareo, fa tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitana no hahitanareo, fa tsy hahita DH: "Ny Fanahy Masina dia niresaka tsara tamin'ny alalan'i Isaia mpaminany tamin'ny razanareo, tamin'ny nilazan'ny Fanahy tamin'i Isaia hoe:" Hihaino izy fa tsy hahafantatra, ary hahita fa tsy hahita" # fa tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitana no hahitanareo, fa tsy hahita. Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny. Asongadin'izy ireo fa tsy hahatakatra ny drafitr'Andriamanitra ireo Jiosy.