# Fampifandraisana ny foto-kevitra Tonga tany Roma ho gadra i Paoly, saingy nanana fahafahana hijanona eo amin'ny toerany. Niantso ireo Jiosy teo an-toerana izy mba hanazava izay nitranga taminy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ny teny hoe "isika" dia manondro an'i Lioka, izay nanoratra ny bokin'ny Asan'ny Apostoly sy i Paoly ary ireo niaraka taminy. # ireo lehilahy izay mpitarika teo amin'ireo Jiosy Ireo dia mety ho olona Jiosy tsotra fotsiny na mpitondra relijiozy nanatrika tao Roma. # natolotra ho voafonja tany Jerosalema teo an-tanan'ny Romana DH: "ny sasany tamin'ireo Jiosy nisambotra ahy tany Jerosalema ary nametraka ahy teo am-pelatanan'ny manam-pahefana romanina" # tsy nisy antony tokony hanamelohana ahy ho faty. "Tsy nanao na inona na inona aho hamonon'izy ireo ahy"