# nofenoin'i Satana lainga ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina, sy hitazona ny ampahany tamin'ilay vidin-tany? Nametraka io fanontaniana io i Petera mba hitenenana mafy an'i Ananiasy. DH: "tsy tokony namela ny satana handresy lahatra anao handainga ... tany" # nofenoin'i Satana ny ny fonao Ny teny hoe "fo" eto dia manambara ny sitra-po sy fihetsem-po. DH: "nofehezin'ny satana tanteraka ianao" na 2) "resin'ny satana lahatra ianao" # handainga amin'ny Fanahy Masina, sy hitazona ny ampahany tamin'ilay vidin-tany Izany dia midika fa i Ananiasy dia niteny tamin'ireo Apostoly fa nomeny daholo izay noraisiny tamin'ny fivarotana ny taniny. # Raha mbola tsy lafo izany, tsy nijanona ho fanananao manokana ve izany Nametraka io fanontaniana io i Petera mba hitenenana mafy an'i Ananiasy. DH: "raha mbola tsy lafo izany dia mbola fanananao" # ary rehefa lafo izany, tsy teo amin'ny fahefanao ve izany? Nametraka io fanontaniana io i Petera mba hitenenana mafy an'i Ananiasy. DH: "ary rehefa lafo izany dia manana fahefana amin'ny vola izay noraisinao ianao" # Ahoana no nieritreretanao izany zavatra izany tao amin'ny fonao? Nametraka io fanontaniana io i Petera mba hitenenana mafy an'i Ananiasy. Ny teny hoe "fo" eto dia manambara ny sitra-po sy fihetsem-po. DH: "Tsy tokony nanana eritreritra ny hanao izany zavatra izany ianao" # lavo tamin'ny tany Ananiasy ka afaka ny ainy lavo tamin'ny tany Ananiasy satria maty izy; tsy ny fianjerany no nahafaty azy. DH: "maty ary nianjera tamin; ny tany"