# Fampafantarana amin'ny ankapobeny Ny andininy faha 5 dia manome fampafantarana fototra momban'ireo hamaroan'ieo Jiosy izay niaina tao Jerosalema, maro tamin'ireo izay nanatrika tamin'io tranga io. # Fampafantarana amin'ny ankapobeny Eto ny teny "izy ireo" dia manambara ireo mpino; ny teny hoe"izy" dia manambara ireo olona tsirairay tao anatin'ny maro. # olon'Andriamanitra eto ny "olon'Andriamanitra" dia manambara ireo olona izay nanolo-tena amin'ny fiderana an'Andriamanitra ary mankatoa ireo lalàna rehetra an'ireo Jiosy. # 'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra "'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra" Io dia hitatra izay hampisongadinana fa avy tamin'ireo firenena samihafa ireo olona. DH: "firenena maro samihafa" # Rehefa nandre izany feo izany Io dia manambara ilay feo izay nitovy tamin'ny tso-drivotra mafy. DH: "Rehefa nandre izany feo izany izy ireo" # vahoaka "olana maro be" # Izy ireo dia talanjona sy gaga; Ireo teny roa ireo dia mitovy ny dikany. Ny fitambaran'izy ireo dia manansongadina ny herin'ny fahatalanjonana. DH: "Izy ireo dia tena talanjona" # Marina, fa tsy ireo rehetra miteny ireo ve no Galileanina? nametraka io fanontaniana io ireo olona mba nanehon'izy ireo ny fahatalanjonan'izy ireo. Azo havadika ho toy izao koa io fanontaniana io. DH: "Ny ankamaroan'ireo Galileanina ireo dia mety tsy ahafantatra ny fitenintsika!"