# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ny tanjon'i Jaona tamin'ny nanoratana ity taratasy ity dia ny fiderana an'i Galo tamin'ny fomba nikarakarany ireo mpampianatra Baiboly mpitety faritany; avy eo dia miresaka olona roa izy, ny iray ratsy ary ny iray tsara. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny teny hoe: "isika" dia manondro an'i Jaona sy ireo niaraka taminy ary angamba ireo mpino rehetra. # Malala Eto dia ampiasaina io ho toy ny fomba fiteny hanehoana fitiavana amin'ireo mpiray finoana. # Manao asa mahatoky ianao "Ianao dia manao izay mahatoky an'Andriamanitra" na "ianao dia tsy mivadika amin'Andriamanitra." # Miasa ho an'ireo rahalahy sy ireo vahiny "Manampy ireo mpiray finoana sy ireo izay tsy fantatrao." # Vahiny, izay nijoro vavolombelona ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana "Vahiny, izay nilaza tamin'ireo mpino tao am-piangonana ny fomba nitiavanao azy ireo." # Soa no ataonao raha alefanao izy ireo "Izaho dia mangataka anao am-panajana mba handefa azy ireo." # Satria nohon'ny anarana no nialany Eto "ny anarana" dia manondro an'i Jesosy. DH: "Statria efa nandeha nivoaka hanambara ny olona mahakasika an'i Jesosy izy ireo." # Tsy nitondra na inona na inona Tsy nandray fanomezana na fanampiana. # Ireo Jentilisa Eto "ireo Jentilisa" dia tsy midika fotsiny hoe olona tsy Jiosy. Izany dia mampiditra ireo olona izay tsy mitoky amin'i Jesosy. # Mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinana isika "Mba hahafahantsika miara-miasa amin'izy ireo amin'ny fanambarana amin'ny olona ny fahamarinan'Andriamanitra.