# Fampifandraisana ny foto-kevitra: I Paoly dia namela an'i Timoty ahafantatra fa any aoriana any dia hiala amin'ny marina ny olona; ary na dia hisy fanenjehana aza, afaka miankina amin'ny soratra masin'Andriamanitra izy. # amin'ireo andro farany Ireo mety ho dikany dia 1) Fotoana aorian'ny andron'i Paoly izany. DH: "any aoriana any mialohan'ny fiverenan'i Kristy" na 2) izany dia manambara ny vaninandro Kristiana, ao anatin'izany ny andron'i Paoly. DH: "amin'izao fotoana izao, mialohan'ny farany" # fotoan-tsarotra Ireo no andro, volana, na ny taona izay hiaretan'ny Kristiana fijaliana sy loza. # tia tena Eto ny "tia" dia ilazana ny fitiavana ara-pirahalahiana na fitiavana ny namana na isan'ny ao amin'ny fianakaviana, fitiavan'ny olombelona misy eo amin'ireo mpinamana sy ireo mpihavana. Tsy ilay karazana fitiavana avy amin'Andriamanitra izany." # mpirehareha miresaka momban'ny tenany amin'ny fireharehana # Tsy hanam-pitiavana "tsy mitia ny fianakavian'izy ireo akory" # mpanohitohitra "tsy manaiky an'iza na iza" na "tsy miaina am-pihavanana amin'iza na iza" # mpanendrikendrika "ireo mpiampanga lainga" # hahery setra "masiaka" na "matetika manao zavatra handratrana olona hafa" # tsy ho tia ny tsara "mpankahala ny tsara" # tsy misy eritreritra "maimaika" na "tsy mitandrina." Midika hoe manao zavatra tsy am-piheverana ny mety ho vokatr'izany. # mpanambony tena "mihevitra fa izy ireo dia tsara kokoa noho ny olona hafa"