# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Paoly no mpanoratra ity taratasy ity, fa nefa izy dia mampiditra an'i Silasy sy i Timoty ho mpandefa ny taratasy. Izy dia nanomboka tamin'ny fiarahabana ny fiangonana tany Tesalonika. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny teny hoe: "isika" sy "antsika" dia manondro an'i Paoly, Silasy ary Timoty, raha tsy hoe misy fanamarahina. Ary ihany koa, ny teny hoe: "ianareo" dia milaza zavatra maro ary manondro ireo mpino ao amin'ny fiangonan'ny Tesalonika. # Silasy Izany dia avy amin'ny teny latina hoe "Silas." Izy ihany no olona voatanisa ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apostoly toy ny mpiara-dia amin'i Paoly. # Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo Paoly dia matetika mampiasa io fiarahabana io amin'ny taratasiny.