# ary Io dia manamarika ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny boky. # Ireto ary ny tenin'i Davida farany Io dia manondro izay holazain'i Davida ao amin'ny 23:1. # ilay lehilahy tena nomem-boninahitra, ilay lehilahy izay voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba DH: "ilay lehilahy izay nomen'ny Andriamanitr'i Jakoba voninahitra lehibe sy nosorany" # voahosotry ny Andriamanitr'i Jakoba Vita amin'ny fandrarahana diloilo eo an-dohan'ny olona ny fanosorana. Izany dia natao mba hifidianana izay ho mpanjaka na ho mpisorona hanompo an'Andriamanitra. # mpanao salamo Io dia olona izay manoratra salamo na hira. # tamin'ny alalako tamin'ny alalan'i Davida # ary teo amin'ny lelako ny teniny Eto ny hoe "teo amin'ny lelako'' dia sarinten'ny fitenenan'i Davida. DH: "nanome hafatra ahy mba holazaiko Izy"