# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mitohy ny hiran'i Davida ho an'i Yaveh. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy. # Tamin'ny fahoriako "Tamin'ny fijaliako be" # nandre ny feoko avy tao an-tempoliny Izy Manondro ny tempoly any an-danitra izay hitoeran'i Yaveh i Davida. Ny tempoly eto an-tany dia tsy mbola natsangana. # tonga teo an-tsofiny ny antso vonjiko Eto ny sarinteny hoe "sofiny" dia manondro an'i Yaveh sy ny fandrenesany ny antso vonjin'i Davida. DH: "nandre ny vavako hiantso vonjy Izy" # sofiny Miresaka an'i Yaveh toy ny hoe manan-tsofina i Davida.