# Ahitofela Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:11 ihany io anaran-dehilahy io. # roa arivo sy iray alina " lehilahy 12.000" # hitsangana sy "nanomboka" # Ho tonga eo "tonga eo amin'ny" # reraka sy malemy Ireo teny ireo dia midika zavatra iray ihany ary nampiasaina miaraka mba hanindriana fa tena reraka i Davida. DH: "reraka" # hanapoka azy amin-tahotra Eto ny teny hoe "tahotra" dia azo ambara amin'ny mpamari-toetra hoe "matahotra". DH: "hanapoka azy sy hampitahotra azy" # ny mpanjaka ihany no ho tafihiko Io dia manazava fa mikasa ny hamono ny mpanjaka izy. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Ny mpanjaka irery ihany no hovonoiko" # Ho entiko miverina aminao avokoa ny olona rehetra Io dia manondro ny vahoaka rehetra izay niaraka tamin'i Davida. DH: "mitondra miverina ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy" # toy ny vehivavy ampakarina tonga eo amin'ny vadiny Eto i Ahitofela dia miresaka ny hafalian'ny vahoaka amin'ny fampitahana izany amin'ny hafalian'ny vehivavy ampakarina. DH: "ary ho avy am-pifaliana, tahaka ny vehivavy ampakarina izay faly rehefa tonga eo amin'ny vadiny izy ireo" na "ary ho tonga am-pifaliana izy ireo" # hilamina Io dia midika hoe manana fiadanana na miaina am-pilaminana tanteraka. DH: "miaina am-pilaminana tanteraka" # eo ambany fahefanao Io dia manondro ny hoe ambany fahefan'ny mpanjaka. DH: "ambany fahefanao"