# namoaka ny tanany izy ary nandray azy ka nanoroka azy Io fihetsika io dia fiarahabana amin'ny maha-mpinamana. DH: "miarahaba azy ho toy ny namana amin'ny famihinana sy fanorohana azy" # amin'ny fitsarana Io dia midika fa nankeo amin'ny mpanjaka izy ireo mba hanapa-kevitra ny amin'ny adin'izy ireo. DH: "mba hitsara ny adin'izy ireo" # Koa dia naka ny fon'ny olon'Israely i Absaloma Io fehezanteny io dia midika fa nandresy lahatra ireo olona mba tsy hivadika aminy fa tsy amin'i Davida i Absaloma. Eto ny mpanoratra dia miresaka ny fomba tsy nivadihan'ny olona tamin'i Absaloma amin'ny fitenenana fa naka ny fon'izy ireo izy. DH: "Tamin'izany, no nandresen'i Absaloma lahatra ny olon'ny Israely mba tsy hivadika aminy"