# ondrivavy kely zanak'ondry, vavy # ho an'ny mpamangy azy Izany dia mba hohanin'ny mpitsidika azy. DH: "ho an'ny mpitsidika azy mba hohanina" # Nirehitry ny hatezerana tamin'ilay lehilahy manan-karena i Davida Eto ny mpanoratra dia manoritsoritra ny haben'ny hatezeran'i Davida toy ny hoe namay noho ny hatezerany ny vatany. DH: "Lasa romotra i Davida" na "Lasa tezitra mafy i Davida" # niteny an-katezerana Izany dia midika fa niteny tamim-pahatezerana an'i Natana i Davida. # Raha mbola velona koa Yaveh Io dia manambara fa nianiana fianianana na fampanantenana tena izy i Davida. DH: "Ambarako, raha velona tokoa i Yaveh" # ho vonoina ho faty Io dia midika hoe ho vonoina. DH: "ho vonoina" na "ho faty" # Tsy maintsy honerany efatra heny ny zanak'ondry Ny fatra takiana amin'ilay lehilahy manan-karena dia ny hamerina amin'ilay mahantra efatra heny izay vidin'ilay zanak'ondry. "Tsy maintsy mandoa efatra heny amin'ny vidin'ilay ondry amin'ilay mahantra izy" # antra mahatsapa alahelo na tia olona izay mijaly na maratra na tsy notiavina