# nitifitra tany amin'ireo miaramilanao avy eny amin'ny manda ny mpitifitr'izy ireo "nitifitra zana-tsipìka ny mpitifitr'izy ireo" # voavono ny sasany tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka DH: "novonoin'izy ireo ny sasany tamin'ireo mpanompon'ny mpanjaka" # mpanompon'ny mpanjaka Eto ny hoe "mpanompo" dia manondro ireo miaramila, fa tsy ireo andevo, satria ny miaramila dia mpanompon'ny mpanjaka. # maty ihany koa Oria ilay Hetita mpanomponao DH: "novonoin'izy ireo i Oria Hetita mpanomponao" # fa ny sabatra dia hamely iray sy iray hafa Eto ny hoe "sabatra" dia manondro olona izay mamono amin-tsabatra. Ny famonoana olona amin-tsabatra ihany koa dia resahina toy ny hoe sabatra izay "mihinana" ny olona. DH: "fa ny olona iray dia mety ho fatin-tsabatra tahaka izany koa ny olona iray hafa" na "fa ny olona dia mety ho faty an'ady" # Hamafiso kokoa hanoherana ilay tanàna ny adinao "Miadia mafy kokoa"