# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'i Davida i Yaveh. # Koa ankehitriny Eto ny hoe "ankehitriny" dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", nefa nampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo. # enga anie ho apetraka mandrakizay ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany DH: "enga anie Ianao hanao izay nampanantenainao tamiko sy ny fianakaviako, ary enga anie mba tsy hivadika mihitsy ny fampanantenanao" # ny mpanomponao sy ny fianakaviany DH: "izaho sy ny fianakaviako" # Ho lehibe mandrakizay anie ny anaranao Eto ny hoe ''anarana" dia manambara ny lazan'i Yaveh. # ny tranoko, Davida mpanomponao Eto ny hoe "trano" dia manambara ny fianakaviana. DH: "ny fianakaviako" # apetraka anatrehanao DH: "dia voaaro noho ianao" na "mitohy noho ianao"