# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nampitsahatra ny vontoatin'ny tantara ity andininy ity mba hanome fampahafantarana fototra momba an'i Mefiboseta, izay taranak'i Saoly tamin'i Jonatana raha tokony ho tamin'i Isboseta. Ho tonga mpandray anjara manan-danja ao amin'ny boky i Isboseta aoriana kely. # malemy ny tongony Io andianteny io dia midika hoe "tsy afaka mandeha." # Dimy taona Io dia taonan'ny zanaka lahin'i Jonatana tamin'ny fotoana nahafatesan-drainy. # ny vaovao momban'i Saoly sy Jonatana Io dia manondro ireo vaovao momba ny fahafatesan'izy ireo. # mpitaiza Io dia vehivavy na tovovavy izay nokaramaina mba hikarakara zaza tanora. # lasa malemy Io dia manazava ny fomba naharatran'i Mefiboseta ka tsy nahafahany nandeha. # Mefiboseta Io dia anaran'ny zanaka lahin'i Jonatana, zafikelin'i Saoly.