# amin'i Davida Ireo dikanteny sasany dia manampy hoe "rehefa tao Hebrona izy" ary ireo hafa dia manala izany. Mety te hanampy ny andianteny ianao raha ao amin'ny dikan-teninao izany. # An'iza ity tany ity? Ny lahatsoratra niandohan'io fanontaniana io dia tsy mazava. Ireo mety ho heviny dia 1) Nanam-pahefana mba hanome tany an'i Davida i Abnera. DH: "Ahy ity tany ity!" na 2) Voafidin'Andriamanitra mba hanjaka amin'ny tany i Davida: DH: "Anao ity tany marina ity!" # homba anao ny tanako Eto ny hoe "tanana" dia manambara ny fanampian'i Abnera izay nomeny an'i Davida. DH: "Hanampy anao aho" # tsy ahitanao ny tavako raha tsy entinao aloha i Mikala Ambaran'i Davida ny fepetra izay hihaonany amin'i Abnera. Eto ny hoe "tava" dia manondro an'i Davida. DH: "tsy afaka mahita ahy ianao raha tsy mitondra an'i Mikala ho eto amiko aloha" # Mikala Io dia anaran'ny zanaka vavin'i Saoly. Izy no vadin'i Davida voalohany.