# Fampifandraisana ny foto-kevitra Petera dia nanome ohatra an'i Lota, izay navotan'Andriamanitra tao anatin'ny olona izay mendrika ny fanasaziana. # Ny fitondran-tenan'ireo olona tsy ara-dalàna "Ny fitondran-tena maloto ataon'ny olona izay nandika ny lalàn'Andriamanitra." # Izany lehilahy marina izany Izany dia manondro an'i Lota. # Dia fadiranovana tamin'ny fanahin'ny fahamarinany Eto ny teny hoe: "fanahy" dia manondro ny eritreritr'i Lota sy ny fihetseham-pony. Ny fitondran-tena maloton'ireo mponina ao Sodoma sy Gomora dia nanakorontana azy ara-pihetseham-po. DH: "dia voakorontana tokoa."