# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity ny fiafaran'ny hafatra avy amin'i Yaveh ho an'i Josia Mpanjaka tamin'ny alalan'i Holda mpaminany vavy. # Indro, hanambatra anao amin'ireo razanao Aho, ary handry am-piadanana ao am-pasanao ianao Iray ihany ny hevitra fonosin'ireo andian-teny roa ireo. Ireo dia samy fomba mihaja ilazana fa maty izy. DH: "Henoy, hamela anao handry am-piadanana Aho" # Tsy hahita ... masonao Eto ny "maso" dia ilazana ilay olona manontolo. Ary ny hoe "tsy hahita" dia midka fa tsy hiaina izany izy. DH: "ary tsy hiaina ... ianao" # ireo loza rehetra izay ho entiko amin'ity toerana ity Hahatonga zavatra mahatsiravina hitranga i Yaveh. DH: "ireo zava-doza izay hataoko mitranga amin'ity toerana ity"