# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola nanohy nilaza tamin'ireo lehilahin'i Hezekia mpanjaka ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan i Asyria i Rabsake. # Moa nisy nahavonjy azy ireo teo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria ve ireo andriamanitry ny olona? Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Tsy nisy tamin'ireo andriamanitry ny vahoaka no nahavonjy azy ireo teo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria." # Aiza moa ireo andriamanitry ... Arpada? Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Noravako ireo andriamanitr'i ... Arpada!" # Hamata ... Arpada ... Serfavaima ... Hena ... Iva ... Samaria Anaran-toerana izay entina ilazana ireo olona izay monina ao avokoa ireo. # teto an-tanako Ny hoe "an-tanako na an-tanana" dia sarinteny ilazana ny fifehezana, hery, na fahefana. DH: "teto amin'ny fifehezako" # moa ve efa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny fahefako? Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Tsy nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny fahefako." # tamin'ny fahefako Ny hoe "fahefako" dia sarinteny ilazana ny olona izay manana izany. DH: "tamiko" # Ahoana no hahafahan'i Yaveh mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko? Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany amin'ny vahoaka fa fantatr'izy ireo ny valin'izany. DH: "Tsy misy hevitra ahafahan'i Yaveh mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko"