# Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda DH: "Tamin'ny faha 39 taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda" # Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. Jereo ao amin'ny 3:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "izay ratsy araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa ratsy" # Nandritra ny androm-piainany Azo avadika matoanteny ny hoe "fiainany. DH: "ny fotoana rehetra izay niainany" # tsy mba niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy Ny fialana amin'ny fahotana dia ilazana ny hoe mandà ny hanao ireo fahotana ireo. DH: "Tsy nandà ny hanao ny fahotana izay nataon'i Jeroboama zanak'i Nebata i Zakaria" na "Nanota tahakan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy" # izay nahatonga ny Israely nanota Eto ny teny hoe "Israely" dia ilazana ny vahoakan'ny fanjakan'Israely. DH: "izay nampanota ny vahoan'Israely"