# moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany? Azo atao fehezanteny tsotra izany fanontaniana fampisainana izany. Jereo ao amin'ny 1:17 ny fomba nandikana izany fehezanteny izany. DH: "voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany" # Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeho, ary nalevin'izy ireo tany Samaria izy Izany dia midika fa maty i Jeho. Izany dia miresaka ny fandevenana azy any amin'ny toerana izay nandevenana ireo razambeny toy ny hoe nodimandry niaraka tamin'izy ireo izy. DH: "Maty i Jeho ary nalevin'izy ireo tany Samaria, izay tany ihany koa no nandevenana ireo razambeny." # Joahaza Anaran-dehilahy izany. # Valo amby roapolo taona ny fotoana nanjakan'i Jeho teo amin'ny Israely tany Samaria "Nanjaka teo amin'Israely tany Samaria nandritra ny valo amby roapolo taona i Jeho" # Valo amby roapolo taona "28 taona"